![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/28/Borneo_Topography.png/640px-Borneo_Topography.png&w=640&q=50)
Bôrneô
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Bôrneô dia nosy ao Azia Atsimo-Atsinanana (na Insolindia). Izy no nosy fahefatra lehibe indrindra eto an-tany raha ny velerany no heverina (izay mahatratra 743 330 km2) aorian' i Aostralia sy i Groenlandy ary i Ginea Vaovao. Misy mponina mihoatra ny 20 tapitrisa ny ao ka 27 mp/km2 ny hakitroky ny mponina mifandraika amin' izany. Ny mpiteny malay-indôneziana sy filipino ary javaney dia miantso an' io nosy io hoe Kalimantan. Firenena telo no mizara ny tanin' i Bôrneô, dia i Broney sy i Malezia ary i Indônezia ao atsimo. Ny 3 %n' ny velaran' io nosy io dia an' i Indônezia.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/28/Borneo_Topography.png/640px-Borneo_Topography.png)