From Wikipedia, the free encyclopedia
I Oriela na Aoriela na Ôriela (Uriel, Auriel, Oriel) dia iray amin' ny arkanjely voatonona ao amin' ny lovantsofin' ny raby taorian' ny sesitany sy amin' ny lovantsofina kristiana sasany. Fantatra tsara izy ao amin' ny lovantsofina ôrtôdôksa rosiana sy ao amin' ny katôlisismam-bahoaka (izay samy iheverana azy ho anisan' ny arikanjely lehibe fito) ary ekena ao amin' ny Fiangonana Anglikana ho arkanjely fahefatra. Fantatra tsara koa izy ao amin' ny literatiora esôterika eorôpeana tamin' ny Andro Antenatenany. I Oriel dia fantatra koa amin' ny maha tompon' ny fahalalana sy arkanjelin' ny fahendrena azy.
Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe אוּרִיאֵל / ʾŪrīʾēl izay midika hoe "Andriamanitra no lelafoko"; amin' ny teny grika Οὐριήλ / Oúriēl; amin' ny teny kôpta ⲟⲩⲣⲓⲏⲗ / Ouriēl; amin' ny teny italiana Uriele; amin' ny teny geezy sy amharika: ዑራኤል /ʿUraʾēl na ዑርኤል /ʿUriʾēl. amin' ny teny arabo إسرافيل / Israfil.
Ao amin' ny asasoratra apôkrifa sy kabalistika ary amin' ny ôkoltisma, i Uriel na Auriel dia nampitoviana (na nafangaro) amin' i Oriala (Urial), Noriela (Nuriel), Oriana (Uryan), Jeremiela (Jeremiel), Vretila (Vretil), Sariela (Sariel), Soriela (Suriel), Poroela (Puruel), Fanoela (Phanuel), Jakôba (Jakob), Azraela (Azrael) ary Rafaela (Rafael).
Ao amin' ny Bokin' ny Tsiambaratelon' i Joany, izay asasoratra gnôstika tany am-boalohany, i Oriela dia napetraka hifehy ireo demony izay manampy an' i Ialdabaota hamorona an' i Adama.
Uriel, Auriel na Oriel (lahy) / Urielle, Eurielle na Orielle (vavy) dia anarana noraisin' ny kolontsaina bretôna seltika, noho ny fisian' i Urielle (taonjato faha-7), rahavavin' ny mpanjaka bretôna Judicael, izay nampalaza ilay anarana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.