![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/01/Masoala_park_map.png/640px-Masoala_park_map.png&w=640&q=50)
Nosy Mangabe
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Nosy Mangabe dia nosy kely ao amin' ny Helodranon' i Antongila, 2 km miala ny tanànan' i Maroantsetra ao avaratra-atsinanan' i Madagasikara. Azo aleha amin' ny sambo kely izy io ary tafiditra ao anatin' ny valan-javaboaharin' i Masoala (anglisy: Masoala National Park; frantsay: Parc national de Masoala). Toeram-piarovana ny ala mando trôpikaly izy io ary toerana misy ny karazana gidro haihay (Daubentonia madagascariensis). Manakaiky an' i Maroantsetra izy ka azo anaovana tetezina iray andro, nefa amin' ny alina no tsara aleha eny raha hijery haihay.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/01/Masoala_park_map.png/320px-Masoala_park_map.png)