Negritô
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Negritô dia vahoaka mainty hoditra monina ao amin' ny faritra ara-jeôgrafia telo ao Azia Atsimo-Atsinanana, dia ny faritra misy ireo nosy Andamàna, ny Saikanosin' i Malezia (ahitana an' i Malezia, i Tailandy ary i Mianmara na Birmania) ary i Filipina.
Ireto ireo vahoaka negritô: ny Andamaney tompo-tany (Andamaney-Lehibe, Jaraoà, Ônga, Sentinely) ao amin' ireo nosy Andamàna; ny Negritô ao amin' ny Saikanosin' i Malezia, isan' izany ny Semanga (isany ny Bateka), ny Senôy, ny Manika (na Many) ao amin' ny tapany atsimon' i Tailandy; ny Aeta (ao amin' ny nosy Luzon), ny Aty sy ny Tomandôka (ao amin' ny nosy Panay), ny Batàka, ny Agta ao Sierra Madre, ny Sambala, ny Mamanoà ao amin' ny nosy Mindanaô ary foko hafa miisa eo anelanelan' ny 25 sy 34 ao Filipina.
Ny Negritô dia taranak' ireo olombelona môderna voalohany tonga tao amin' ireo faritra ireo tany amin' ny 50 000 hatramin' ny 70 000 taona lasa. Mivelona amin' ny fihazana sy ny fiotazana izy ireo. Nifangaro tamin' ny vahoaka bengaley sy vahoaka miteny môn-kmera ary aostrôneziana tonga taty aoriana tao amin' ireo faritra ireo izy ireo. Ny vahoaka negritô sasany dia nanjary mpamboly sady nandray ny fitenin' ireo vahoaka tonga taoriana ireo.
Na dia mifanahaka aza ny endrika ara-batan' ireo vahoaka atao hoe Negritô ireo dia manjavozavo sy efa tranainy loatra ny maha mpihavana ara-poto-tarazo azy, ka ahitana soritra ny fisian' ny andiam-pifindrà-monina nifanesy samihafa izany.