![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/4c/Flag_of_Mongolia.svg/langmg-640px-Flag_of_Mongolia.svg.png&w=640&q=50)
Môngôlia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Môngôlia dia firenena ao Azia Atsinanana, tsy manana morontsiraka, eo anelanelan' i Rosia (ao avaratra) sy i Sina (ao atsimo). Ny renivohiny dia i Ulan Bator. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 1 564 115,75 km2 ny velaran-taniny ary miisa 3 168 026 ny mponina ao aminy tamin' ny taona 2020. Ny faritr' ora dia +7 hatramin' ny +8. Mizara roa ny taniny, raha ny vohon-tany sy ny toetrandro no heverina: i Môngôlia an-tendrombohitra, ao avaratra-andrefana, sy ny Efitr’ i Gobi, ao atsimo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/c/c8/Mongolia_CIA_map.png/320px-Mongolia_CIA_map.png)
Монгол Улс (Mongolian) | |||||
Repoblikan'i Môngôlia ((mg)) | |||||
| |||||
![]() | |||||
Teny ofisialy | Mongoliana (fitenim-panjakana) | ||||
Renivohitra | Ulan Bator 46°49′N 104°00′E | ||||
Tanàna lehibe indrindra | Ulan Bator | ||||
Fitondrana sy governemanta - Filoha Praiminisirtra |
Repoblika Ukhnaagiin Khürelsükh Luvsannamsrain Oyun-Erdene | ||||
Velarantany - Tontaliny - Rano (%) |
faha 18 1564116 km² 0,6 | ||||
Isam-ponina - Tontaliny (2019) - hakitroka |
faha 138 3 256 176 mpo. 65 mpo./km²
| ||||
Anaran'ny mponina | Mongoliana | ||||
Sandam-bola | Tögrög (MNT ) | ||||
Faritr'ora | UTC | ||||
Hiram-pirenena | ' | ||||
Valan-tsehatra internet | |||||
Antso an-tariby |
++976 |
Ny 75 %n’ ny mponina any Môngôlia dia Môngôly Kalka, nefa ahitana vahoaka vitsy anisa maromaro koa ao. Ny bodisma sy ny samanisma no finoana be mpanaraka any. Lasa firenena be tanàn-dehibe voalamina i Môngôlia tamin’ ny faramparan’ ny taonjato faha-20: mahatratra ny 50 %n’ ny mponina no monina an-tanàn-dehibe. Ny fiompiana no anisan’ ny sehatr’ asa ara-toekarena mibahan-toerana any amin’ io firenena io. Mirorobo ihany koa ny taozava-baventy.