From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny mpisoronabe dia anaram-boninahitra nentin' ireo mpisorona tao amin' ny fivavahaa israelita fahiny sy ao amin' ny jodaisma, hatramin' ny nisandratan' ny firenena israelita ka hatramin' ny nadravana ny Tempoly Faharoa tao Jerosalema tamin' ny taona 70 taor. J.K. Ny mpisoronabe dia taranak' i Aarôna sahala amin' ny mpisorona rehetra.
Amin' ny teny hebreo dia atao hoe כהן גדול / kohen gadol na הַכֹּהֵן הַגָּדוֹל / ha'kohen ha'gadol, ny mpisoronabe.
Nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa dia anjara asan' ny mpisoronabe ny fisahanana ny maha filohan' ny Sinedriôna azy. Nihamaivana izany andraikitra izany tamin' ny fifehezan' ny Rômana an' i Jodea (na Jodia) nanomboka tamin' ny taona 63 taor. J.K., avy eo ny asan' ny mpisoronabe dia nanjavona niaraka tamin' ny faharavan' ny Tempoly Faharoa. Heverina fa nisy mpisoronabe miisa 18 nandritra ny vanimpotoan' ny Tempoly voalohany ary miisa 60 ny an' ny Tempoly Faharoa.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.