Mpisolo tena (fitsipiteny)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny mpisolo tena dia teny enti-manondro ireo sokaji-mpandray anjara telo ara-pitsipiteny ao amin' ny fifampiresahana, dia ny miresaka sy ny iresahana ary ny resahina. Ny fiteny rehetra dia ahitana ny sokajin-teny mpisolo tena avokoa fa ny isany sy ny endriny ary ny fampiasana azy no tsy mitovy. Zana-tsokajy ao amin' ny mpisolo ny mpisolo tena.