From Wikipedia, the free encyclopedia
Amin'ny fizika molakiolary sy amin'ny simia, tenenina hoe miratoerana (amin'ny teny anglisy sy frantsay: isotope) ny atoma rehefa mitovy ny isan'ny prôtôna fa tsy ny isan'ny netirôna. Voatondro amin'ny isa atomika Z ny isan'ny prôtôna anatina vaonina. Mitovy isa Z ny miratoerana roa, fa samihafa ny lanjany A. Ny lanja dia tontalin' isan'ny prôtôna sy ny tontalin'ny isan'ny netirôna. Ny mahasamihafa ny lanjan'ny miratoerana dia ny isan'ny netirôna N.
Ny mahasamihafa ny atôma miratoerana dia ny isan'ny netirônany, afatsy rehefa misy ionisation (miova ny isan'ny elektirona)
Tononina amin'ny eva ara-tsimiany ny miratoerana, fenoina :
Ny karbônina 14; soratana sy ny karbônina 12, soratana dia miratoeran'ny singa karbonina. Esorina ny isa atômika, satria miverina miaraka amin'ny eva simika.
Ny miratoerana misy matetika dia ny miratoeran'ny hidirôzenina, soratana tahak'io fomba io : 2H ho an'ny deuterium ary 3H ho an'ny tritium ; azo ampiasaina koa ny eva D sy T araka ny lazain'ny UICPA, fa tsara ampiasaina ihany 2H na 3H satria samy miratoeran'ny hidirozenina izy ireo.
Mitovy ny toetra alain'ny miratoerana satria mitovy ny isan'ny elektirôna sy ny prôtôna.
Saingy izy tsy mitovy lanja (betsaka nohon'ny tokony misy ny isan'ny netirôna), samihafa ny lanja. Azo sarahina ny atôma tsotra sy ny atôma miratoerana amin'ny alalan'ny centrifugation.
Mety lasa radiôaktiva ny atôma noho ny isan'ny netirôna ao am-baoniny.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.