From Wikipedia, the free encyclopedia
I Môsikao na Môsko dia tanàna renivohitry ny Federasiônan' i Rosia ary izy no tanàna ngeza indrindra any Eorôpa. Amin' ny fiteny rosiana izy dia atao hoe Москва, / Moskva, IPA: /mɐˈskva/. Eo amin' ny renirano Moskova no misy an' i Môsko, mitovy anarana amin' ilay renirano ity tanàna ity amin' ny fiteny rosiana. Eo amin' ny distrika ampovoany, amin' ny lafy eorôpeanan' i Rosia no misy an' i Môsko.
I Môsko dia ny tanàna ngeza indrindra any Eorôpa amin' ny isan' ny mponina ao aminy izay nahatratra 10,22 tapitrisa mahery ao an-drenivohitra ary 14,74 tapitrisa raha isaina ny ambanivohitra. Renivohitra ara-toekarena sy ara-pôlitika ary ara-pahaizan' i Rosia i Môska, ary 8,9 % amin' ny fitambaran' ny mponina any Rosia no monina any Môsko.
Betsaka ny fandraisana anjaran' ny tanànan' i Môsko ao amin' ny tantaran' i Rosia: renivohitry ny Dokea Lehiben' i Môsko izy, ary lasa renivohitra ny Empira Rosiana; nafindran' i Petera Lehibe tany Saint Petersburg ny renivohitra; very lanja ny tanànan' i Môsko hatramin' ny taona 1918; lasa renivohitry ny Firaisana Sôvietika i Môsko tamin' ny taona 1918. Fantatra amin' ny fananana maritrano i Môsko: ao i Kremlin miaraka amin' ny fehivolany, ny Katedraly Masinfahy Vasily eo amin' ny Kianja Mena, ny Katedralin' i Kristy Mamonjy sy ny Sera Stalinianina Fito. Any Môsko ny foiben' ny Patriarkan' ny Fiangonana Ôrtôdôksa Rosiana ao amin' ny Mônasteran' i Danilov. Ny toerana misy an' i Kremlin sy ny Kianja Mena dia eo ampovoan' i Môsko.
Antsoin' ny Rosiana hoe Матушка Москва / Matuška Môskva (izay midika hoe "Reny Môsko") ny tananan' i Môsko.
Foiben' ny oniversite maromaro ilay tanàna, tany no nisy ny Lalao Ôlimpika tamin' ny taona1980.
Ankehitriny dia manan-danja be i Môsko ao amin' ny toekarenan' i Rosia, mamokatra ny 25 % amin' ny harin-karena faoben' ny Federasiôna izy. Lasa "Géante Capitalist"[1] i Môsko taorian' ny vanim-potoana kômonista ary efa manan-danja i Môsko eo amin' ny toekarena eorôpeana. Ny faribohitr' i Môsikao-City no evan' ny fiovan' ny Môsko. Fa tsy nandeha tsy nisy olana io fiovàna io. Ny elanelana ara-toekaren' ny olona dia lasa nitombo avy hatrany: misy ampahany manan-karena sy mihamanan-karena, ary misy ny mahantra mihamahantra.
Môsikao
| |||
Velarantany | NC | ||
Isam-ponina | 10 770 000 mponina | ||
Tanànan-dehibe | 14 744 150 | ||
Ben'ny tanàna | Sergey Sobyanin | ||
Firenena | Rosia | ||
Faritany | Distrika Afovoany (Rosia) | ||
Faritra | NC |
Araka ny fanisam-bahoaka natao tamin' ny taona 2008 dia 10 382 754 ny isan' ny mponina tany Môsko. Ny faminavinana natao ho an' ny taona 2007 dia mampiseho fa efa nihoatra ny 12 tapitrisa ny mponina. Io isa io anefa tsy manisa ny olona tsy manana alanana hipetraka sy ny mpisa avy any ivelany tsy ara-dalana miaina ao amin' ilay tanàna. Avy any Kaokazy (Azerbaijana, Armenia, Jeôrjia) sy Azia Afovoany (Kazakstana, Ozbekistana, Tajikistana) ny ankabeazan' ny olona miaina any. Misy ihany koa ny mponina avy amin' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha.
I Môsko dia anisan' ny tanàna manana fitomboana tsy mihemotra any Rosia: tamin' ny 2006, +0,22 % ny fitomboany. Ny taham-pahaterahana tamin' ny tapna 2006 dia 9,2 % ary ny taham-pahafatesana dia 12 %. Kely ny elanelan' ny taham-pahatrerahana sy ny taham-pahafatesana any Môsko noho ny any amin' ny faritra sisa amin' i Rosia: -0,28 % any Môsko ary -0,48 % eran' ilay firenena. Ny antony mampiakatra ny isan' ny mponin' ilay tanàna dia izao: betsaka ny olona avy any amin' ny tanàna hafa mifidra monina ao. Ary ny pôlitikan' ny governemanta koa no mampiakatra azy io. Efa nidina be mihitsy ny fahafatesana ary niakatra fito taona ny salan' ny halavam-piainana any Môsko.
Ny faritanànan' i Moscow City dia ho toeram-barotr' i Môsko. Any ivelan' i Môsko ara-tantara, any amin' ny distrikan' i Presnensky, no hisy azy. Mivoatra be ny toeran' i Moscow City. Neritreretina tamin' ny taona 1992 ilay tetikasa ary ny tanjony dia hampivoatra toerana ara-toekarena sy toerana ipetrahana. Ny velaran' ilay faritanàna dia misy 1 km2. Io faritra io ihany no voafidy ho an' ilay tetikasa satria orinasa sy ozinina efa taloha daholo ny teo.
Ny Federation Tower no ho trano mijoalajoala avo indrindra any Eorôpa. Ho tapitra amin' ny faran' ny 2010 ny fanamboarana. Mety ho resin' ny Russia Tower ny Federation Tower amin' ny taona 2011, 650 m ny haavony (nijanona tamin' ny Avrily 2009 ny fanamboarana ny Russia Tower noho ny fisian' ny krizy ara-toekarena). Ho betsaka ny trano hijoalajoala sy ny toeram-barotra ary ny centre aquatique ao. Ho ao amin' io faritanàna io koa no hisy ny trano fandrindrana an' i Môsko, sy ny trano avo hipetrahana.
Ara-kôntinenta ny toetany any Môsko, ny dikan' izany dia be ny elanela- maripana eo anelanelan' ny fahavaratra sy ny ririnina. Mangatsiaka ny ririnina ary mafana ny fahavaratra. Fohy ny lohataona sy ny fararano any Môsko. Amin' ny andro fahavaratra, manakaiky ny 25 °C ny hafanana ary midina amban' ny -10 °C izy amin' ny andro ririnina. Nahatratra 36,7 °C ny andro nafana indrindra tamin' ny volana Aogositra 1936, ary -42,2 °C ny hatsiaka tany tamin' ny Janoary 1940. Mitovitovy ny habetsaky ny orana mandavan-taona, fa somary betsabetsaka izy amin' ny fahavaratra noho ny ririnina. Misy oram-panala eo amin' ny tanin' i Môsko amin' ny antsasaky ny volana Nôvambra hatramin' ny faran' ny Marsa. Mety hahatratra 78 sm ny haavon' ny oram-panala milatsaka amin' ny andro ririnina.
Hatramin' ny tzona 2006;dia anisan' ny tanàna lafo fiainana indrindra eto an-tany ho an' ny vahiny i Môsko. Ny havitsian' ny trano, ny fiakaran' ny vidin' ny rouble sy ny fisian' ny mpanefoefo rosiana vaovao no mety manazava ny fiakaran' ,ny vidin' ny trano any Môsko. Atao lafo koa ny vidiny ho an' ny vahiny.
Matetika mipetraka anaty trano efitra kely ny olona mipetraka any, nomena tsy andoavam-bola ireny trano ireny tamin' ny vanim-potoana sôvietika na tamin' ny taommpolo 1990, manampy an' io koa ny hamoran' ny service publics sy ny hetra 13 %, mampidina ny vidim-piainana any an-drenivohitra izany pôlitika izany.
Tamin' ny vanim-potoana sôvietika dia mandeha arakaraky ny m²/olona ny hofantrano. Mety mahazo bonus ny olo-malaza. Voafetra ny fananzan-karena tamin' ny andron' ny sôsialisma.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.