![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/70/Lucifer_Liege_Luc_Viatour.jpg/640px-Lucifer_Liege_Luc_Viatour.jpg&w=640&q=50)
Losifera
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Losifera, amin' ny Kristiana, dia ilay anjely potraka noho ny fikomiany tamin' Andriamanitra, dia tsy iza fa i Satana. Ny anarana hoe Losifera (latina: Lucifer) anefa dia tsy nanana io heviny io tany am-piandohana fa nenti-nanondro ny planeta Venosy izay nantsoina hoe "mpitondra ny fahazavana"[1]. Midika ara-bakiteny hoe "mpitondra ny fahazavana" io anarana io, izay fikambanan' ny anarana latina hoe lux ("fahazavana") sy ny matoanteny latina hoe ferre ("mitondra")[2].
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/7/70/Lucifer_Liege_Luc_Viatour.jpg/640px-Lucifer_Liege_Luc_Viatour.jpg)