![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0f/Jesusicon.jpg/640px-Jesusicon.jpg&w=640&q=50)
Logos (kristianisma)
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ao amin' ny kristianisma, ny Logos dia anarana na anaram-boninahitr' i Jesoa Kristy, izay tsy inona, ho an' ny ankamaroan' ny Kristiana, fa persôna faharoa ao amin' ny Trinite, izay efa nisy talohan' ny fahatongavany ho nofo eto an-tany. Amin' ny teny grika io teny io dia soratana hoe Λόγος, sady midika ara-bakiteny hoe "teny" na "lahateny", nefa koa "antony", "faharanitan-tsaina". Adika hoe Teny izany ao amin' ny Baiboly amin' ny teny malagasy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0f/Jesusicon.jpg/320px-Jesusicon.jpg)
Ny teny hoe Logos dia nindramina avy amin' ny filôzôfia grika mba hanondroana an' i Kristy. I Joany evanjelista no heverin' ny maro fa voalohany nanome ny anaram-boninahitra hoe "Logos" an' i Jesoa ao amin' ny sasin-tenin' ilay filazantsara nosoratany (Joany 1:1-18). Avy tamin' izany no nivoahan' ny teôlôjia kristiana momba ny "Tenin' Andriamanitra": tonga nofo tao amin' ny tenan' i Jesoa Kristy ny Logos.
Amin' ny fomba fijery kristôlôjika, ny hevitra manao an' i Kristy ho ny Logos (avy amin' ny teny grika hoe: λόγος / logos, "teny", "fahendrena" na "fatorana") dia nanana anjara toerana lehibe teo amin' ny fanamafisana ny maha Andriamanitra an' i Jesoa Kristy sy ny toerany amin' ny maha Andriamanitra Zanaka ao amin' ny Trinite azy araka ny voalaza ao amin' ny Fanekem-pinoana kalkedôniana (taona 451).
Izao ny voasoratra ao amin' ny andininy voalohany amin' ny Evanjely araka an' i Joany:
Tamin' ny voalohany ny Teny, ary ny Teny, dia tao amin' Andriamanitra, ary Andriamanitra ny Teny. (Joany 1:1, Ny Baiboly Masina)[1].
Matetika ampiasaina ny tsy adika io teny hoe Logos amin' ny lahateny teôlôjika.
Araka ny voalazan' i Ireneo avy any Logdanoma (taona 130–202), izay mpianatr' i Pôlikarpôsy (taona 69–156), dia nanoratra ireo teny ireo manokana i Joany na Jaona Apôstôly mba hanoherana ny fampianaran' i Kerintôsy na Kerinto[2], izay nonina nsy nampianatra tao Efesôsy (na Efezy na Efeso), izay tanàna nonenan' i Joany (na Jaona) taorian' ny fiverenany avy tany an-tsesitany tany Patmôsy[3]. Raha nilaza i Kerintôsy fa nanao izao tontolo izao tamin' ny alalan' ny "Hery misaraka lavitra ... an' Andriamanitra Tsitoha", i Joany kosa, araka ny voalazan' i Ireneo, tamin' ny alalan' ny Joany 1:1-5, dia nanao an' ilay Andriamanitra Tsitoha ho ny Mpamorona – "tamin' ny alala' ny Teniny." Ary raha i Kerintôsy nanavaka an' i Jesoa amin' i "Kristy avy any ambony", izay nidina teo amin' ilay lehilahy atao hoe Jesoa tamin' ny fanaovam-batisa azy, i Joany kosa, araka ny voalazan' i Ireneo, dia nanambara fa ny Teny izay efa nisy mialoha sy i Jesoa Kristy dia iray ihany.
Ao amin' ny Apôkalipsy dia misy mpandray anjara antsoina hoe "Ny Tenin' Andriamanitra", ary arahin' ny hoe "tafika any an-danitra".
Ary miakanjo akanjo voafafy rà Izy; ary ny anarany atso hoe Ny Tenin' Andriamanitra. Ary ny antokon' ny miaramila any an-danitra dia nanaraka AZy, samy nitaingina soavaly fotsy sy niakanjo rongony madinika sady fotsy no madio. (Apôkalipsy 19:13–14, Ny Baiboly)