![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/56/Flag_of_Laos.svg/langmg-640px-Flag_of_Laos.svg.png&w=640&q=50)
Laôsy
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Laôsy na Laôsa dia firenena ao Azia Atsimo-Atsinanana. Ny renivohiny dia i Vientiane. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 236 800 km2 ny velarantaniny ary miisa 6 500 000 ny mponiny araka ny fanisana natao tamin' ny taona 2012. Ny faritr' ora dia +7.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/56/Flag_of_Laos.svg/640px-Flag_of_Laos.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bc/Laos_%28orthographic_projection%29.svg/320px-Laos_%28orthographic_projection%29.svg.png)
I Laôsy no hany firenena ao amin' ny Saikanosy Indôsinoa tsy manana morontsiraka. Be tendrombohitra i Laôsy, ary ny ampahany be amin' ny taniny dia rakotra ala, ahitana hazo sarobidy isan-karazany. Ny korian-drano dia mifandray amin' ny ony Mekong izay iray amin’ ireo ony lavabe any Azia.
Maro dia maro ny karazam-bahoaka hita ao Laôsy. Ny ankamaroan' ny mponina any dia Bodista sady tambanivohitra (80 %).
Miompana amin' ny fambolena ny toekaren' i Laôsy. Ao amin' ireo faritra be tany lonaka manodidina an' i Mekong no anatanterahana ny karazam-boly toy ny kafe, ny katsaka, ny landihazo, ny legioma, ny paraky ary ny vary.