![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/83/Latitude_and_longitude_graticule_on_a_sphere.svg/langmg-640px-Latitude_and_longitude_graticule_on_a_sphere.svg.png&w=640&q=50)
Laharam-pehintany
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny laharam-pehintany na laharam-pehy dia fangitra ara-jeôgrafia manome ny fahavaratana na ny fahatsimoana eo amin' ny velaran' ny tany, fajiry na velarana mitelorefy. Ny laharam-pehintany faha-0 dia ny fehibe ary ny laharam-pehintany faha-90 dia ny Tendrontany Avaratra (raha 90°N na +90° no voalaza anatin' ilay fangitra) na atsimo (raha 90°S na -90°). Miaraka ampiasaina amin' ny laharan-jara hasina ny laharam-pehintany hahafantarana tsaratsara kokoa ny misy ny toerana iray eo amin' ny Tany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/83/Latitude_and_longitude_graticule_on_a_sphere.svg/640px-Latitude_and_longitude_graticule_on_a_sphere.svg.png)
Tsy ny Tany ihany no ampiasana ny laharam-pehy na zana-pehy fa ny Volana sy ny planeta na fajiry ary ny bolan-danitra koa.