![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/4d/Archaeological_Site_of_Carthage-130237.jpg/640px-Archaeological_Site_of_Carthage-130237.jpg&w=640&q=50)
Kartago
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Kartago dia tanàna toniziana ao avaratra atsinanan' i Tunis renivohitra. Atao hoe Karthago na Carthago izy amin' ny teny latina fa قرطاج / Qarṭāj [qærtˤɑʒ] kosa amin' ny teny arabo.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/4d/Archaeological_Site_of_Carthage-130237.jpg/640px-Archaeological_Site_of_Carthage-130237.jpg)
Ilay tanàna ponika fahiny izay noravana avy eo namboarin' ny Rômana indray, izay renivohitry ny faritanin' i Afrika rômana tamin' izany fotoana izany dia lasa isan' ireo tanàna manan-karena indrindra ao amin' i Tunis Lehibe, izay fonenana ôfisialin' ny filohan' ny Repoblika, ahitana koa ny fonenan' ireo ambasadoro na ireo mpanefoefo toniziana na vahiny. Io tanàna io dia mbola ahitana toerana manan-tantara rômana sy ponika, izay vosokajy ho fananana arovan' ny Unesco nanomboka tamin' ny 27 Jolay 1979.
Ny tanànan' i Kartago tamin' ny taona 2014 dia nisy mponina 17 010. Ao no misy ny lapan' ny filoham-pirenena, ny môskea Mâlik ibn Anas, ny mozeam-pirenen' i Kartago ary ny Akademia toniziana momba ny siantsa sy ny soratra ary ny zavakanto. Ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenenan' i Tonisy-Kartago dia kilometatra vitsy ao andrefan' i Kartago.