Môskea
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny môske na môskea no toeram-pivavahana ivorian' ny Mozilmana hanatanterahana ny vavaka iraisana. Teo anelanelan' ny taonjato faha-7 sy faha-16 no tena namipirobo ny fanamboarana môskea. Hodidinin' ny tilikambo (arabo: منارة / manara na مئذنة / mi’dhana) maro ny trano mamorona ny môskea, miendrika andohalambo ny tafony. Ao amin' ny iray amin' ireo tilikambo ireo no anaovana ny mouadh-dhin (arabo: مُؤَذِّن: fiantsoana amin' ny feo avo ny mpino hivavaka) mandritra ny adhan (arabo: أذان).