Kalifata
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny kalifata na kalifaty dia fitondrana mozilmana entin' ny kalifa (arabo خليفة) izay karazana emperora sady lehibem-pivavahana. Avy amin' ny teny arabo hoe خلافة / khilafat ny teny hoe kalifata. Ny kalifa no mpanjakan' ny Ummah (ny vahoaka mozilmana rehetra), izay fehezin' ny lalàna Shari'a. Azo adika ara-bakiteny hoe "mpandimby" na "solontena" ny teny hoe kalifa. Taorian' ny nahafatesan' ny mpaminany Mohamady tamin' ny taona 632 dia antsoina hoe "Khalifat Rasul Allah", ny mpitondra voalohany ny fanjakana mozilmana, izany hoe mpandimby ara-pôlitika ny voairak' Andriamanitra.
Talohan' ny nahatongavan' ny finoana silamo, ny mpanjaka arabo dia nampiasa ny anaram-boninahitra hoe malik (izay midika hoe "mpanjaka", "mpanapaka", "mpitondra"), na anarana hafa avy amin' ny fototeny mitovy.
Kalifata maromaro no nisy hatramin' ny niorenan' ny finoana silamo, taorian' ny ady teo amin' ireo mpitaky hahazo ny anaram-boninahitry ny mpandimby ny mpaminany Mohamady, taorian' ireo kalifa efatra voalohany, fantatra amin' ny anarana hoe Rashidun ("notarihina marina"). Ny kalifata tena manan-danja dia:
- ny Kalifata Omeiada tao Damaskôsy (nisesitany any Cordoba);
- ny Kalifata Abasida tao Bagdad (nisesitany any tany Kahira);
- ny Kalifata Fatimida ao Kahira;
- ny Kalifata Almôhada tao Marrakech;
- ny Kalifata Ôtômana tao Istanbul.