Tetiandro persana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny tetiandro persana na tetiandro jalaly na tetiandro iraniana dia tetiandro manara-masoandro ampiasaina indrindra ao Iràna sy ao Afganistàna. Avy amin' ny tetiandro zôrôastriana nampiasaina tany Persia (na Persa) talohan' ny fahatongavan' ny finoana silamo tao ny tetiandro persana. Marina kokoa noho ny tetiandro gregôriana ny tetiandro persana noho ny fomba fampifandimbiasany ny taona misy andro 365 sy ny taona misy 366 andro.
Isaina manomboka amin' ny andron' ny Hijra ny taona, izany hoe manomboka amin' ny taona 622 amin' ny tetiandro joliana, nefa ny 16 Jolay izay heverina araka ny lovantsofina fa nisehoan' ny Hijra dia nosoloana ny ekinôksan' ny lohataona (any amin' ny ila-bolantany avaratra). Noho izany, ny andro voalohany amin' ny volana Farvardin amin' ny taona 1 dia ny 19 Marsa 622 amin' ny tetiandro joliana, satria ny ekinôksan' ny lohataona dia miseho iray andro mialoha amin' ny 8 ora sy 56 minitra amin' ny famantaranoran-jiaby, izany hoe amin' ny 12 ora sy 21 minitra amin' ny famantaranoran' i Teheran.