![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/19/Jeroboam_II.jpg/640px-Jeroboam_II.jpg&w=640&q=50)
Jerôbôama II
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jerôbôama II dia mpanjakan' i Israely tamin' ny taona 782 hatramin' ny 753 tal. J.K. Nandimby an-drainy Jôasy (na Jôasa) izy ka nanjaka nandritra ny 40 taona tao Israely. Nandimby azy i Zakaria zanany. Na dia nanoro hevitra azy aza ny mpaminany Hôsea (na Ôsea) sy Amôsa (na Amôsy) dia nanohy ny fitondran-tena ratsin' ireo mpanjaka nodimbiasiny izy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/19/Jeroboam_II.jpg/320px-Jeroboam_II.jpg)
Nalain' i Jerôbôama II tamin' i Arama ireo faritanin' i Amôna sy Môaba ao atsinanan' ny ony Jordana izay nalain' i Hazaela mpanjakan' i Arama-Damasy (na Arama-Damaskosy) tany aloha tamin' ny andron' ny mpanjaka Jeho. Tanteraka noho izany ny faminanian' i Jônà (na Jônasa).