Arama (faritra)
From Wikipedia, the free encyclopedia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Arama dia faritra tao avaratra-atsinanan' ny Atsinanana Akaiky eo anelanelan' ny tangoron-tendrombohitr' i Libàna (na Libanona) sy ny ony Eofrata izay mifanandrify amin' i Siria ankehitriny. Atao hoe Arameana ny mponina tamin' io faritra io tamin' ny Andro Taloha tamin' ny taonjato faha-11 tal. J.K. hatram' ny taonjato faha-8 tal. J.K. Ny fiteny arameana no fiteniny. Resahina ao amin' ny Baiboly ny faritr' i Arama.
Tamin' ny andron' ny Empira akadiana sy ny Empira someriana vaovao ary ny Empira asiriana taloha dia "Tanin' ny Amoro" no nahalalana azy satria ny Amôrita no betsaka nonina tao. Tamin' ny andron' ny Empira asiniana vaovao sy ny Empira babilôniana ary ny Empira akemenida dia fantatra tamin' ny anarana hoe Ebera-Nary ny faritr' i Arama.
Ny Amôrita na Amôreana dia vahoaka semitika mpivezivezy nanaomboka tamin' ny taonarivo faha-3 tal. J.K. tao amin' ny tany misy zavamaniry zeny sy tao amin' ireo tendrombohitra ao Siria ao andrefan' i Mesôpôtamia. Niditra tsikelikely tany Mesôpôtamia ny Amôrita ka nikarama nanao miaramila na nanao asa hafa tamin' ny tanin' ny mpifanila vodirindrina aminy, nandroba tanàna na nonina tamin' ny tanànany toa an' i Kisy, i Larsa (na Laraga na Laraka), i Sipara (na Sipira), i Mary, i Asora, sns. Nisy fianakaviana nanjaka tao Babilôna teo anelanelan' ny taona 1894 sy 1595 tal. J.K. izay nampiray an' i Mesôpôtamia tamin' ny andron' ny mpanjaka Hamoraby (taona 1793 hatramin' ny 1750 tal. J.K.).
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.