Jôsia (mpanjakan' i Jodà)
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Jôsia na Jôsiasa dia mpajaka faha-16 tao amin' ny Fanjakan' i Jodà nandimby an' i Amôna. Nanjaka tamin' ny taona 639 hatramin' ny 609 tal. J.K. nahafaty azy atao Megidô tamin' ny ady nifanaovany tamin' ny farao Nekô II. Izy no rain'ny mpajakan' i Jodà telolahy izay nandimby azy, dia i Jôahaza sy i Jôiakima (na Jôakima) ary i Zedekia. Niara-belona taminy ny mpaminany Zefania (na Sôfônia) ary natao hoe Davida vaovao.