From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny indô-eorôpeana dia fitambaran' ny mponina sasany avy ao Eorôpa sy Azia: India, Anatôlia, Sina ary Iràna, ka mampiasa ny fiteny mifandraika amin' izany, dia ny fiteny indô-eorôpeana.
Ny Indô-iraniana, izay atao hoe Ariana koa, dia vondrom-poko miteny indô-iraniana, ao amin' ireo faritra lehibe ao Eorazia. Isan' ireo vahoaka indô-iraniana lehibe ny Indô-ariana sy ireo vahoaka iraniana.
Ny Indô-ariana na Indiana dia vondrom-poko maro miteny amin' ny fiteny indô-ariana, izay zana-bondron' ny fianakaviam-piteny indô-eorôpeana. Misy iray lavitrisa any ho any ny mpiteny indô-ariana, ka ny ankamaroany dia avy ao amin' ny zana-kontinenta indiana sady hita manerana an' i Azia Atsimo izay ahitana azy betsaka raha mitaha amin' ny vahoaka hafa.
Ny Iranianina dia vahoaka miteny persana, kiorda, tajiky, pastô, ôsetiana, balotsy, ary zazaky mipetraka any Azia Andrefana. 130 tapitrisa eo ho eo no isany manerana izao tontolo izao. Ireto ny vahoaka iraniana ankehitriny: ny Persàna (Aimaka, Farsioana, Hazara, Tajika, Taty, Ajamo), ny Pastona (Dorany, Gilzay), ny Korda (Kormajy, Sôrana, Lôra, Laka, Sekbizina), ny Balotsy, ny Mazandarany, ny Gilany, ny Pamiry (Sarikôly, Oaky, Tajikin' i Sina, Sogny), ny Talisy, ny Ôsetiana (Iasa), ny Iagnoby, ny Parsỳ, ny Iranỳ, ny Zaza ary ny Gôrana.
Ny fiteny indô-eorôpeanina dia fianakaviam-piteny ivondronan' ny fiteny maro any Eorôpa sy any India ary any Iràna sy ny manodidina. Misy 1 000 eo ny isan'ny fiteny ao amin' io fianakaviam-piteny io. Fianakaviam-piteny tenenina maneran-tany ny maro amin' izy ireo, izay ahitana ny fiteny albaney, ny fiteny armeniana, ny vondrom-piteny balto-slava, keltika, jermanika, helenika, indô-iraniana, italika (isan'izany ireo fiteny rômana), ary vondrom-piteny maty roa, dia ny vondrom-piteny anatôliana (isan' izany ny fiteny hitita) sy ny vondrom-piteny tôkariana. Ireto ny vondrom-piteny lehibe ao:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.