From Wikipedia, the free encyclopedia
I Fouta-Djalon dia tangoron-tendrombohitra any Ginea, any Afrika Andrefana, onenan' ny Folany na Peola indrindra. Nisy fanjakana teôkratika miozolmana matanjaka niorina tao tamin’ ny taonjato faha-18, dia ny Imamatan’ i Fouta-Djalon.
Ny Folany dia miantso io tangorom-bohitra io amin' ny fiteny polara (kraza'n' ny fiteny folany) hoe Fuuta-Jaloo. Ny niavian' ilay anarana dia ny teny fola ilazana ny faritra onenan' ny Folbe na Jalônke na Fola na Folany.
Ny faritra rakofan' i Fouta-Djalon dia ahitana hivoka misy ala sy ala mivelatra, ala galeria ary lemaka midadasika, iampitan' ny renirano maro izay niandohan' ny hantsana lehibe sy riandrano maro noho ny asan' izy ireo nandritra ny arivo taona.
Antsoina hoe "siniben-dranon' i Afrika Andrefana" i Fouta-Djalon, satria mipoitra avy ao ny loharanon' ny renirano lehibe any Afrika Andrefana. Ireto ireo loharano ireo; i Tinkisso (sakelidranon' ny ony Niger), ny ony Sénégal, ny ony Gambia, i Koliba, ary i Kogon.
Manana velarana 81 952 km2 sy haavo 1 000 m eo ho eo i Fouta-Djalon. Ity faritry ny lemaka sy ny havoana ity dia miakatra ka miafara amin' ny tendrombohitra Loura (1 515 m). Nihady hantsana lalina sy lohasaha ao anatin' ny sosona vato fasika matevina manarona ny vatolampy granita ny fikaohan-tany.
Miovaova be ny maripana arakaraka ny toerana sy ny fotoana:
Ity faritra ity dia tena tsara ho an' ny famokarana voankazo (manga, voasary, papay, zavôkà, akondro, goavy) sy ho an' ny famokarana anana maro hafa. Amin’ ny tany azo volena rehetra dia volena ny fôniô, ny vary, ny ovy, ny tongolo ary ny voanjo.
I Labé no tanàna lehibe indrindra ao amin' ilay faritra, ny tanàna hafa dia i Pita, i Mamou, i Dalaba, i Tougué, i Koubia, i Lélouma, i Mali, i Télimélé, i Koundara ary i Gaoual.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.