![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/91/Bruce_McCandless_II_during_EVA_in_1984.jpg/640px-Bruce_McCandless_II_during_EVA_in_1984.jpg&w=640&q=50)
Fizika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fizika (avy amin' ny teny grika φυσις midika hoe zavaboary na natiora) dia araka ny haiendri-teniny ny "siansan'ny zavaboary". Amin' ny dikany amin' ny ankapobeny na amin' ny heviny voalohany, ny fizika dia fahalalàna ny zavaboary; io no hevitra nomen' i René Descartes sy ny mpianany Jacques Rohault sy i Régis[1]. Ny fizika dia taranja mandinika ny zavaboary, ary ny tanjony dia ny mamantatra ny hetsiny sy ny fiasany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/91/Bruce_McCandless_II_during_EVA_in_1984.jpg/640px-Bruce_McCandless_II_during_EVA_in_1984.jpg)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/6/69/Lightning_in_Arlington.jpg/640px-Lightning_in_Arlington.jpg)
Ny fizika dia anisan' ny taranja akademika tranainy indrindra fantatra. Betsaka ny taranja mampiasa ny siansa fizika, toy ny eketrônika, ny hainkintana na koa ny mekanika; nandritra izay roa arivo taona izay, ny fizika dia teny mitovitovy dika amin' ny filôzôfia, ny simia, ary sampan' ny matematika ary ny biôlôjia; fa nandritra ny revolisiona siantifika tamin' ny taonjato faha-16, ny fizika dia nivoatra ho lasa siansa manokana. Fa na izany aza nefa, amin' ny taranja sasany toy ny fizika matematika na amin' ny simia koantika, sarotra avahana ny fetran' ny fizika.