![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/97/Turkey-3019_-_Hagia_Sophia_%25282216460729%2529.jpg/640px-Turkey-3019_-_Hagia_Sophia_%25282216460729%2529.jpg&w=640&q=50)
Fivavahana ao Torkia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fivavahana ao Torkia dia anjakan' ny finoana silamo. Na izany anefa dia fanjakana laîka tsy misy fivavaham-panjakana ôfisialy i Torkia; ny lalàm-panorenana dia manome fahalalahana amin' ny fivavahana sy amin' ny fieritreretana. Ny fanadihadianan nataon' i Ipsos tamin' ny taona 2016, nanadihady olon-dehibe miisa 17 180 manerana ny firenena 22, dia nahita fa ny finoana silamo no fivavahana lehibe indrindra ao Torkia, izay arahin' ny 82 % amin' ny fitambaran' ny mponina; ny 13 % amin' ny mponina dia olona tsy mpivavaka, raha ny 2 % kosa no Kristianina. Ny haavon' ny fanarahan' ny mponina ara-pivavahana izay nanaovan' ny KONDA fanadihadiana dia nahita fa ny 9,7 % amin' ny mponina dia "manolo-tena tanteraka", ny 52 % ireo izay "miezaka manatanteraka ny adidy ara-pivavahana", ny 34,3 % izay "tsy manatanteraka adidy ara-pivavahana" ary ny 3,2 % "tsy mpino/tsy manam-pivavahana". Ny fitsapan-kevitra iray hafa nataon' i Gezici Araştırma tamin' ny taona 2020 dia nanadihady olona 1 062 tao amin' ny faritany miisa 12 ary nahita fa ny 28,5 % amin' ny Taranaka Z dia milaza ho tsy mpivavaka. Araka ny fanadihadiana nataon' ny mpanao fitsapan-kevitra KONDA dia nitombo avo telo heny ny isan-jaton' ny tsy mino an' Andriamanitra ao Torkia tao anatin' ny 10 taona ary niakatra avy amin' ny 1 % tamin' ny 2008 ka hatramin' ny 3 % tamin' ny 2018, ny isan-jaton' ny tsy mpino na agnôstika dia niakatra avy amin' ny 1% ka hatramin' ny 2%, ary ny 90 % amin' ny Tiorka tsy mpivavaka dia latsaky ny 35 taona.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/97/Turkey-3019_-_Hagia_Sophia_%282216460729%29.jpg/640px-Turkey-3019_-_Hagia_Sophia_%282216460729%29.jpg)