![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/18/Crymean_Tatar_lang.png/640px-Crymean_Tatar_lang.png&w=640&q=50)
Fiteny tatara krimeana
fiteny / From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny tatara krimeana na fiteny krimeana dia fiteny torkika, ao amin' ny sampana kiptsaka ampiasain' ny Tatara Krimeana (na Tatara any Krimea), izay vahoaka niorim-ponenena tany amin' ny saikinosy Krimea any Okraina. Ity fiteny ity dia tenenina ao Krimea sy any amin' ny diapôra tatara (any Ozbekistàna, sy any Torkia, any Romania ary any Bolgaria) ary koa any amin' ireo vondrom-piarahamonina kely any Etazonia sy any Kanada. Atao hoe qırımtatar tili, къырымтатар тили na qırım tili, къырым тили io fiteny io amin' ny fiteny tatara krimeana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/1/18/Crymean_Tatar_lang.png/320px-Crymean_Tatar_lang.png)
Heverina ho fitenin' ny vitsy anisa ao Krimea (Okraina) sy ao Dobrogea (Romania) izy io, raha manodidina ny 2 tapitrisa ny mpiteny azy eran-tany, ka ny 90 000 amin' izany dia ao Torkia, any amin' ny faritanin' i Adana sy ny faritanin' i Eskişehir ary ny faritanin' i Ankara.*