![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/53/Iron_Age_Italy-fr.svg/langmg-640px-Iron_Age_Italy-fr.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny retika
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny retika na fiteny retiana dia fiteny nampiasaina tany amin' ny faritr' i Retia fahiny tany amin' ny tapany atsinanan' i Alpes tamin' ny talohan' ny vanim-potoana rômana sy nandritra io vanim-potoana io. Ity fiteny ity dia voarakitra anaty lahatsoratra manodidina ny 280 tamin' ny taonjato faha-5 ka hatramin' ny taonjato voalohany tal. JK, izay hita tany amin' ny avaratra amin' i Italia, tany atsimo amin' i Alemaina, tany atsinanana amin' i Soisa, tany Slôvenia ary tany andrefana amin' i Aotrisy, amin' ny karazany roa amin' ny tarehin-tsora italika taloha. Ekena fa ny fiteny retika dia mifandray akaiky amin' ny fiteny etroska. Ankehitriny dia fiteny maty ny fiteny retika. Ny fiteny retika dia anisan' ny fiteny tirseniana.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/5/53/Iron_Age_Italy-fr.svg/320px-Iron_Age_Italy-fr.svg.png)
Ny fiteny retika fahiny dia tsy tokony hafangaro amin' ny fiteny rômana ankehitriny izay ampiasaina amin' ny faritr' i Alpes sahala aminy, izay atao hoe fiteny retô-rômana.