Fiteny penjaby

From Wikipedia, the free encyclopedia

Fiteny penjaby

Ny fiteny penjaby na fiteny ponjaby na fiteny panjaby dia fiteny indô-ariana tenenin' ny vahoaka Ponjaby any amin' ny Faritra Punjab any Pakistàna sy any India. Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Pakistàna ary fiteny faha-11 be mpampiasa indrindra any India.

Thumb
Faritra itenenana penjaby: ny faritra miloko manga no ahitana mpiteny penjaby petsaka indrindra fa ny miloko manga matsora kosa dia vitsy kokoa ny mpiteny penjaby
Thumb
Ankohonana ao amin' ny foko penjaby

Ny fiteny ponjaby dia ampiasain' ny olona miisa 80,5 tapitrisa ao Pakistàna (tamin' ny taona 2017). Io no fiteny be mpampiasa indrindra any Pakistàna. Ny fiteny ponjaby dia ampiasain' ny olona miisa 31,1 tapitrisa (tamin' ny taona 2011) ary manana sata ôfisialy ao amin' ny Fanjakan' i Punjab any India. Io fiteny io dia ampiasain' ireo zanaka am-pielezana maro any ampitan-dranomasina, indrindra any Kanadà, any Etazonia ary any amin' ny Fanjakana Mitambatra. Manana mpiteny teratany 113 tapitrisa eo ho eo ny fiteny ponjaby.

Ao Pakistana, ny fiteny ponjaby dia soratana amin' ny abidy shahmukhi, mifototra amin' ny soratra persô-arabo; any India, dia soratana amin' ny abidy gurmukhi izy io, mifototra amin' ny soratra indika (na brahmika). Ny fomban' ny fiteny penjaby dia tsy mahazatra ao amin' ireo fiteny indô-ariana sy ao amin' ny fianakaviamben' ny fiteny indô-eorôpeana manontolo amin' ny fampiasana ny fiaka-midin' ny haavom-peo eo amin' ny vanin-teny iray (toy ny an' ny Sinoa sy ny Vietnamiana).

Lavitra be amin' ny fiteny hindy ny fiteny penjaby. Na izany aza, ny voambolana penjaby dia ahitana voanteny hindy na maro mifandraika amin' izany.

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.