![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b5/Malayic_languages.svg/langmg-640px-Malayic_languages.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny malaîka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny malaîka dia vondrom-piteny ao amin' ny sampam-piteny malaiô-pôlineziana ao amin' ny fianakaviam-piteny aostrôneziana. Miisa 53 ireo fiteny ireo ary nantsoina amin' io anarana io, izay avy amin' ny anaran' ny fiteny maley na malay izay zana-bondrona lehibe indrindra ao. Ny toetra somary ntaolontaolo ananan' ireo fiteny ibanika sy kendaiana dia nahatonga ny mpahay teny neerlandey A. Adelaar hihevitra fa ny tany nipoirana sy nitomboan' ny fiteny malaîka dia ao Bôrneô. Iarahan' ny mpahay teny sy ny manam-pahaizana manokana amin' ny tontolo aostrôneziana manaiky izany tsangan-kevitra izany.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/b5/Malayic_languages.svg/640px-Malayic_languages.svg.png)