![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/langmg-640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png&w=640&q=50)
Fiteny antesaka
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny antesaka na tesaka dia iray amin' ireo endriky ny fiteny malagasy isam-paritra tetenina indrindra any amin' ny faritra misy ny Antesaka, eo anelanelan' i Farafangana sy Tolanaro, ao amin' ny distrikan' i Vangaindrano, eo anelanelan' i Mananivo ao avaratra, Itomampy sy Ionaivo ao andrefana, ary Lavibola ao atsimo. Misy fiavahany amin' ny fitenin' ny vondrom-poko manakaiky ny faritra misy ny Antesaka (toy ny fiteny antefasy sy ny fiteny antemoro) io fiteny io nefa manakaikikaiky ny fiteny antanosy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/b/bd/Map_of_Malagasy_language_dialects.svg/640px-Map_of_Malagasy_language_dialects.svg.png)