From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia vondrom-pianakaviam-piteny maro miampy fiteny manirery maro ao Aostralia sy ny nosy manodidina, afa-tsy i Tasmania. Tsy fantatra mazava ny fifandraisan' ireo fiteny ireo.
Ny ankamaroan' ny fitenin' ny tompon-tanin' i Aostralia dia azo avondrona anatin' ny fianakaviam-piteny pama-niongàna, izay ahitana ny 90 %n' ny velaran-tanin' i Aostralia. Ny sisa hafa dia mitsinjara amin' ny fianakaviam-piteny miisa 27 izay hita any amin' ny faritra farany avaratra.
Ny fianakaviam-piteny pama-niongàna dia mamondrona ny ankamaroan' ny fiteny aostraliana. Isan' ireo, ohatra, ny fiteny diirbala, ny fiteny kamilaroy, ny fiteny kokok-taiora, ny fiteny martotonira, ny fiteny marto oangka, ny fiteny nanta, ny fiteny pintopy, ny fiteny oalmajary, ny fiteny iankonitjajara ary ny ny fiteny idiny.
Fianakaviam-piteny lehibe
Vondrom-pianakaviam-piteny
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.