Filôzôfia
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny filôzôfia dia fomba fiasa mikendry ny hahatakatra ny momba izao tontolo izao sy ny fiainana, amin' ny alalan' ny fandinihana voasaina sy mitsikera. Fikarohana ny fahamarinana izay tarihin' ny fanontaniana momba izao tontolo izao sy momba ny fahalalana ary momba ny fisian' ny olombelona izany. Fandinihana ny fototr' olana -- toy ny antom-pisian' ny tena, ny fahalalana, ny soatoavina, ny fahendrena, ny fisainana ary ny fiteny -- ny filôzôfia.
Avy amin' ny teny grika hoe φιλοσοφία / philosophia, izay midika hoe "fitiavam-pahendrena", ny teny hoe filôzôfia. Avy amin' ny fikambanan' ny teny roa φιλέω / philéô, "mitia" na "tia" sy σοφία / sophía "fahendrena" na "fahaizana", ny hoe φιλοσοφία / philosophía.
Efa nisy hatramin’ ny Andro Taloha tany amin' ny Tontolo Tandrefana sy Tatsinanana ny filôzôfia, tsy amin' ny maha asa voasaina azy fotsiny fa amin' ny maha fomba fiaina azy. Ahafahana mahatakatra ny fivoarany ny tantaran' ny filôzôfia.
Hatramin' ny niandohany dia nifototra tamin' ny adihevitra momba ny hevitra iraisana, mandritra ny fifanakalozan-kevitra teo amin' ny mpampianatra sy ny mpianany tao amin' ny sekoly filôzôfika samihafa ny filôzôfia izay azo raisina ho toy ny asa famoronana, fisaintsainana, famaritana ary famakafakana hevitra toy ny hoe tsara, ratsy, hatsarana, ary rariny. Azo raisina ho toy ny fitadiavana fahamarinana, fahafahana, varany ary fahatsiarovan-tena, ary fikatsahana fahasambarana ny filôzôfia. Raha jerena araka ny teôlôjia kristiana izay ampifandraisina aminy, amin' ny fomba fiasany, dia tokony hitodika any amin' ny fandinihana ny fahamarinana sy ny fitadiavana ny tanjona faratampony sy ny varan' ny fiainana ny zava-kendreny.
Amin' i Aristôty, ny fahendrena dia ny siansa momba ny vondrona foto-pitsipika voalohany sy ny vondrona anton-javatra voalohany. Izany no famaritana nianteheran' ny Aristôtelisiana taty aoriana tamin' ny Andro Antenatenany mba hahitana ny "filôzôfia voalohany" (izany hoe ny metafizika ankapobeny).
Amin' ny heviny môderina sy amin' ny filôzôfa amin' izao fotoana izao dia tsy fahalalana sady tsy vondrom-pahalalana ny filôzôfia, fa dingam-pirosoana andinihana ny fahalalana ananana. Lasa taranja ao amin' ny siansan' ny mahaolona izy. Amin' io lafiny io dia manakaiky ny hetsika epistemôlôjika ny filôzôfia ankehitriny.
Afaka mahafaoka andiana taranja, toy ny siansan' ny mahaolona sy siansa sôsialy, ny siansan' ny rafitra ary ny siansan' ny zavaboary, izay mifandray ara-tantara aminy, ny sehatry iasan' ny fandinihana filôzôfika.
Niteraka sehatra fototra anaovana fandalinana ny filôzôfia, ka anisan' izany ny lôjika, ny etika (filôzôfia môraly), ny metafizika, ary ny epistemôlôjia (filôzôfian' ny siansa sy rijan-kevitra momba ny fahalalana). Rehefa nandeha ny fotoana dia nisampana maro ireo sampan' ny filôzôfia ireo: ny filôzôfia pôlitika, ny filôzôfian' ny lalàna, ny estetika (filôzôfian' ny zavakanto), ny ôntôlôjia, ny filôzôfian' ny saina (anglisy: mind), ny antrôpôlôjia filôzôfika, na ny filôzôfian' ny fiteny, ankoatra ny hafa.