Ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana na Fiangonana ôrtôdôksa katôlika na Fiangonan' ny kônsily fito, izay fantatra indrindra amin' ny anarana fohy hoe Fiangonana ôrtôdôksa dia fiangonana faharoa, raha ny hamaron' ny mpino ao aminy no jerena. Iray amin' ireo fiangonana tranainy indrindra izy. Fiombonam-piangonana ôrtôdôksa maromaro, izay samy niorina araka ny Kônsily fito nifandimby izay atao hoe "Fiangonan' ny kônsily fito" izy. Ny ankamaroan' ny Fiangonana ôrtôdôksa tatsinanana dia hita ao Eorôpa Andrefana sy ao Grisia (na Gresy) ary ao Kaokazy. Ahitana mpivavaka ôrtôdôksa koa ny tapany atsinanana among ny faritra manodidina an' i Mediteranea sy aty Afrika. Vitsy dia vitsy ny mpino ôrtôdôksa any Atsinanana Afovoany noho ny fisian' ny fanenjehana. Amin' izao fotoana izao dia miisa 250 000 000 any ho any ny mpino ôrtôdôksa maneran-tany. Ny Fiangonana Ôrtôdôksa eto Madagasikara dia anisan' ny Fiangonana ôrtôdôksan' i Aleksandria sy Afrika manontolo.

Ireo fiangonana 14 mpiombona

  • Patriarkata ekiomenikan' i Kônstantinôpôly;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Aleksandria sy Afrika manontolo;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Antiôkia ao Siria sy ny Atsinanana manontolo;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Jerosalema ho an' i Israely sy Palestina sy Jôrdania ary Sinay;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Jeôrjia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Kiprôsy;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Serbia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Rosia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Grisia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Romania;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Bolgaria;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Albania;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Pôlônia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Tsekia sy Slôvakia;
  • Fiangonana ôrtôdôksan' i Okraina.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.