From Wikipedia, the free encyclopedia
Eo amin' ny tantaran' ny kristianisma, ny hoe "Fiangonana Lehibe" dia ilazana ny fiangonan' ny Kristiana any amin' ny Jentilisa (na Jentily) izay nihaniseho tamin' ny taona 100 taor. J.K. Amin' ny teny latina dia atao hoe Ecclesia Magna izany. Tokana tsy nizarazara ny Fiangonana tamin' izany andro izany sady nandroso nitombo. Lazaina hoe "Fiangonana Kely" ilay fiangonana kristiana avy tamin' ny Jiosy (na Jody) mbola nifanerasera tamin' ny Apôstôly. Ny fotoana nampisy ny Fiangonana Lehibe dia mifanandrify amin' ny fielezan' ny fivavahana kristiana izay niitatra bebe kokoa nankany amin' ny tapany atsinanan' ny Empira rômana. Matetika ireo mpanoratra ny tantaram-piangonana dia mandray ny ampahan' ny Fiangonana Lehibe tany atsinanana ho ny Fiangonana Lehibe manontolo. Nifarana tamin' ny taona 325 izay nanaovana ny Kônsily voalohany tao Nikea io vanim-potoan' ny Fiangonana Lehibe io. Izany kônsily izany no nanapahana ny fampianaram-pinoana izay lasa fampianarana ôfisialin' ny fivavahana kristiana.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.