![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/84/Hmong-Mien-en.svg/langmg-640px-Hmong-Mien-en.svg.png&w=640&q=50)
Fianakaviam-piteny hmông-miena
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny fiteny hmông-miena na fiteny miaô-iaô dia fianakaviam-piteny ao amin'ny faritra atsimo ao Sina sy ao Indôsina. Ao amin'ny faritra be tendrombohitra ao amin'ny faritra atsimo ao Sina no tena miteny azy. Nandritra ny teloarivo na efatrarivo taona farany dia nifindra monina any Tailandy, any Laôsy, any Vietnamy ary any Birmania ny vahoaka hmonga sy ny vahoaka miena sasany. Ny adin-tafika nifanesy tao Indosina dia nahatonga ny mponina hmonga maro handao an'i Azia Atsimo Atsinanana ka hifidra any Aostralia sy any Etazonia ary any amin'ny firenena tandrefana maro hafa koa.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/84/Hmong-Mien-en.svg/640px-Hmong-Mien-en.svg.png)