![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/mg/thumb/a/a0/FIFA_2010.svg/langmg-640px-FIFA_2010.svg.png&w=640&q=50)
Fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra 2010 (amin'ny fiteny anglisy : 2010 FIFA World Cup, amin'ny fiteny frantsay : Coupe du monde de football de 2010) dia ny fiadiana ny tompondaka faha 19. Izy io dia manomboka amin'ny 11 Jiona 2010 ary mifarana amin'ny 11 Jolay 2010 any Afrika Atsimo. Izy io dia fiadiana ny tompondaka eran-tany ho an’ny kitra voalohany mitranga any Afrika. Ny firenena mandray io fiadiana io dia voafidy tamin'ny Mey 2004.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/mg/thumb/a/a0/FIFA_2010.svg/320px-FIFA_2010.svg.png)
Amin'ny Aogositra 2007 hatramin'ny volana Novambra 2009. Ny ekipan'ny firenena 203 nisoratra anarana tamin'ny fiadiana ho tompondaka erantany dia hanao fifaninanana mba ho voafidy ary mba ho lasa anisan'ny ekipa 31 hififaninana any Afrika Atsimo.
Ny ekipan'i Afrika Atsimo dia tonga dia mahazo toerana avy hatrany noho izy mandray ilay fifaninanana.