![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d8/Mali_Federation_in_its_region_%25281959%2529.svg/langmg-640px-Mali_Federation_in_its_region_%25281959%2529.svg.png&w=640&q=50)
Federasiônan' i Malỳ
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Federasiônan' i Malỳ dia federasiôna tany Afrika Andrefana mampiray ny zanatany frantsay any Senegaly sy ny Repoblika Sodaney (na Sodàna Frantsay) nandritra ny roa volana tamin' ny taona 1960. Niorina ho fizaràn-tany manana fizakan-tena tamin' ny 4 Avrily 1959 izy tao anatin' ny Communauté Française ary lasa nahaleo tena taorian' ny fifampiraharahana tamin' i Frantsa tamin' ny 20 Jona 1960.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/0/0d/Mali_Federation_in_its_region.svg/320px-Mali_Federation_in_its_region.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/d/d8/Mali_Federation_in_its_region_%281959%29.svg/320px-Mali_Federation_in_its_region_%281959%29.svg.png)
Roa volana taty aoriana, tamin' ny 19 Aogositra 1960 dia nanetsika ny tafika ny mpitarika ny Repoblika Sodaney tao amin' ny Federasiônan' i Malỳ, ary namaly ny mpitarika an' i Senegaly tao amin' ilay federasiôna tamin' ny fanetsehana ny zandarimaria; niafara amin' ny fifandonana henjana izany, ary nitarika ny fialan' i Senegaly tao amin' ilay federasiôna ny ampitson' iny.
Nanohitra io fandravana io ny manampahefana tao amin' ny Repoblika Sodaney, nanapaka ny fifandraisana ara-diplômasia tamin' i Senegaly, ary nanova ny anaran' ny fireneny ho Malỳ. Nandritra ny fisian' ny Federasiôn' i Malỳ, ny praiminisitra dia i Modibo Keïta, izay lasa filoha voalohany tao Malỳ, ary ny governemantany dia niorina tao Dakar, renivohitr' i Senegaly.