Ny Distrikan' i Sakaraha dia distrika ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana, ao amin' ny tapany atsimo-andrefan' i Madagasikara. I Sakaraha no renivohiny. Misy kaominina miisa 12 ny ao amin' io distrika io.

Sakaraha
Thumb
VelarantanyNC
Isam-ponina150 366[1] mponina
Tanànan-dehibeNC
Ben'ny tanànaNC
Firenena Madagasikara
FaritanyToliara
FaritraAtsimo-Andrefana
Thumb
Sakaraha
Thumb
Ny Distrikan' i Sakaraha ao amin' ny Faritanin' i Toliara

Mponina

Ny mponina ao amin' ny distrikan' i Sakaraha dia nahitana fitomboana mafy hatramin' ny niandohan' ny fitrandrahana ireo vatosoa izay misy ao. Saika nandray tsara ny foko rehetra eto Madagasikara ity tanàna ity hatramin' ny nahitana ny safira. Ny isa-mponiny dia 74 000 tamin' ny taona 2001.

Jeôgrafia

Mandalo ao amin' ny distrikan' i Sakaraha ny lalam-pirenena faha-7 (Toliara-Antananarivo). Ao avarany ny distrikan' Ankazoabo, ao andrefana ny distrikan' i Toliara II, ao avaratra-andrefana ny distrikan' i Morombe, ao atsimo ny distrikan' i Betioky, ao atsimo-atsinana ny distrikan' i Benenitra ary ao atsinanana ny distrikan' Ihosy izay ao amin' ny faritra Ihorombe. Ny distrikan' i Beroroha (avaratr' Ankazoabo) sy ny distrikan' Ampanihy (atsimon' i Betioky) ihany no tsy mifanila aminy amin' ireo distrikan' ny Faritra Atsimo Andrefana.

Toekarena

Mamokatra mangahazo sy vomanga ary vary ny distrikan' i Sakaraha. Mamatsy ny tanànan' i Toliara izy io. Misy ihany koa ao amin' ity distrika ity, saika amin' ny kaominina rehetra misy azy, ny safira. Ny Srilankey sy Tailandey indrindra no mividy sy manondrana safira mba hivarotra izany any Azia.

Fitsinjaram-pahefana

Thumb
Ny Distrikan' i Sakaraha ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana

Ao amin' ny Faritra Atsimo-Andrefana, ao amin' ny Faritanin' i Toliara voalohany ny Distrikan' i Sakaraha. Misy kaominina miisa 12 ny ao ka ireto avy izy ireo: Sakaraha, Ambinany, Amboronabo, Andamasiny Vineta, Andranolava, Bereketa, Mahaboboka, Miary Lamatihy, Miary Taheza, Mihavatsy, Mitsinjo ary Mikoboka.

Jereo koa

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.