Didiereaceae
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Didiereaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravin-tsimoka (dicotyledonaea); misy karazana mihotra ny folo voazara anaty vondron-karazana 4 hatramin' ny 7. Hazo na hazo madinika izy ireo, amin' ny ankapobeny manana endri-taova manokana, ka ny asa ahazoana famaitso dia sahanin' ny taho. Anisan' ny Didieracerae ny fantiolotsy (Alluaudia procera). Matetika izy ireo dia feno tsilo sy maharitra, ary matetika antsoina hoe "zavamaniry be ranony". Ity fianakavian-javamaniry ity dia tsy misy afa-tsy any amin' ny faritra efitra eto Madagasikara sy any Afrika Andrefana. Mizara ho karazana 16 mizara sy vondron-karazana 6 ity fianakaviana ity.