Dasht-e Kavir
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Dasht-e Kavir (persiana: دشت كوير / Dašt-e Kavir), izay fantatra ihany koa amin' ny anarana hoe Kavir-e Namak na Taniefitra Masira Lehibe dia taniefitra midadasika eo afovoan' ny Lembalemba Iraniana. Mirefy 800 km eo ho eo ny lavany ary 320 km ny sakany. Ny velaran' ity taniefitra ity dia manomboka amin' ny tandavan-tendrombohitra Alborz any avaratra-andrefana ka hatrany Dasht-e Lut ("Taniefitra Foana") any atsimo-atsinanana ary mizara eo amin' ny faritany iraniana efatra: i Khorasan, i Semnan, i Ispahan ary i Yazd. Avy amin' ny heniheny masira (kavir) ao amin' io faritra io ny anarany.