From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Boky faharoan' ny Tantara na Tantara faharoa dia boky ao amin'ny Testamenta Taloha ao amin'ny Baiboly kristiana sady hita koa ao amin'ny Tanakh, boky masin'ny jodaisma. Ampahany amin'ny boky nozaraina roa io boky io, dia ny Bokin'ny Tantara, ka ny tapany voalohany dia ny Boky voalohan'ny Tantara.
Manomboka amin'ny tantaranan'ny fanjakan'i Solomona ny boky. Avy eo mitantara ny nivakisan’ny fanjankana ho roa: Fanjakan’i Jodà any atsimo sy Fanjakan’i Israely any avaratra. Derain'ny mpanoratra ho ilay mpanjaka tonga lafatra i Solomona (na Salômôna) ao amin’ny boky. Voaresaka ao amin'ny Boky faharoan’ny Tantara fa ny vahoakan’i Israely dia vahoaka mpanota sady tsy niverina tamin’Andriamanitra. I Hezekia (na Ezekiasa) sy i Josia (na Josiasa) no mpanjaka nalaza indrindra tamin’ny fanompoana an’Andriamanitra sady nanao izay hanajana ny Lalàn’Andriamanitra.
Ny anarana hoe Tantara dia fandikana ny teny anglisy hoe chronicles na ny teny frantsay hoe chroniques izay samy avy amin'ny teny latina hoe cronicon. Ao amin’ny heviteny amin'ny teny latina nataon'i Hieronimo (na Jerôma) avy any Stridona, ny lohaten'io boky io dia Cronicon totius divinae historiae, izany no nipoiran'ny anaran'io boky io amin’ny fiteny maro ao Eoropa (ohatra: latina: Libri Chronicorum; frantsay: Livres des Chroniques; anglisy: Books of Chronicles sns.). Ny teny grika hoe khronikon izay nahazoana ilay teny latina dia midika hoe "fanangonan-java-nitranga tantaraina araka ny fifanarakarahany ara-potoana nisehoany”.
Ao amin'ny Tanakh dia nitambatra ao amin'ny horonam-boky tokana atao hoe Bokin'ny Tantara ny Boky voalohan'ny Tantara sy ny Boky faharoan'ny Tantara. Ny anaran’io boky tokana io amin’ny fiteny hebreo dia דִּבְרֵי־הַיָּמִים, / Divrei ha-Yamim, izay midika hoe "ireo teny (na asa) niseho tao amin’ireo andro". Ny anaran’io boky io ao amin’ny Septanta na Septoaginta (Baiboly tranainy amin’ny teny grika) dia hoe Παραλειπομένων / Paraleipomenon, izay midika hoe "zavatra navela". Nihevitra ireo mpandika teny tamin’izany fa nisy ny zavatra navela ka tsy voatantaran’ny Boky voalohany sy faharoan’i Samoela ary ny Boky voalohany sy faharoan’ny Mpanjaka izay hita ao amin’ny Bokin’ny Tantara.
Ireo mpisorona hebreo tao Jerosalema no heverin'ny mpandinika fa nanoratra ny Bokin'ny Tantara tany amin'ny taonjato faha-4 tal. J.K. Araka ny lovantsofina jiosy dia i Ezra na Esdrasa no nanoratra ny Boky faharoan'ny Tantara.
Azo atao ny mizara ny boky ho roa: ny nanjakan'i Solomona (2Tant. 1 – 9), ny fivakisan'ny firenena sy ny fahababoana (2Tant. 10 –36).
Ny fizaràna voalohany ao amin'ny boky (2Tant.1 – 9) dia mitantara ny fanjakan'i Solomona sy ny nananorenany ny Tempoly tao Jerosalema ary ny fanombohan'ny fivavahana ao an-Tempoly. Toy izao ny andinindininy amin'izany:
Ny fizaràna faharoa (2Tant.10 – 36) dia manomboka amin'ny firesahana ny amin'ny fikomian'ny fokon'i Israely any avaratra ary ny fivakisan'ny firenena ho fanjakana roa. Avy eo ny boky mitantara ny Fanjakan'i Joda hatramin'ny naharavan'i Jerosalema sy ny nitondrana ho babo ny Jiosy tany Babilona ka mifarana amin'ny fanafahana ny Jiosy.
Boky ara-tantara protokanonika:
Boky ara-tantara deoterokanonika:
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.