Ny Bokin' i Môrmôna dia iray amin' ny boky masin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy ho an' ny Olomasin' ny Andro Farany manampy ny Baiboly sy boky hafa koa (dia ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana sy ny Voahangy Lafo Vidy) izay voasoratra, araka ny fitantaràn' i Joseph Smith, tamin' ny fiteny ejiptiana tamin' ny takela-bolamena hitan' i Joseph Smith teny amin' ny havoan' i Cumorah, ao amin' ny Fanjakan' i New York any Etazonia, araka ny tari-dalana nomen' ny anjely Môrônia tamin' ny 21 Septambra 1823. Araka ny fitantaràn' i Joseph Smith dia avy amin' ny anaran' i Môrmôna, mpaminany niaina tamin' ny taonjato fahefatra teo amin' ny kontinenta amerikana, ny anaran' io boky io.

Thumb
Bokin' i Môrmôna amin' ny teny malagasy

Misy fizaràna lehibe 15 ao amin' ny Bokin' i Môrmôna, dia ireto avy:

  • ny Boky voalohan' i Nefia (1 Nefia);
  • ny Boky faharoan' i Nefia (2 Nefia);
  • ny Bokin' i Jakôba (Jakôba);
  • ny Bokin' i Enôsa (Enôsa);
  • ny Bokin' i Jarôma (Jarôma);
  • ny Bokin' i Ômnia (Ômnia);
  • ny Tenin' i Môrmôna;
  • ny Bokin' i Môsià (Môsià);
  • ny Bokin' i Almà (Almà);
  • ny Bokin' i Helamàna (Helamàna);
  • ny Boky fahatelon' i Nefia (3 Nefia);
  • ny Boky fahefatr' i Nefia (4 Nefia);
  • Môrmôna;
  • ny Bokin' i Etera (Etera);
  • ny Bokin' i Môrônia (Môrônia).
    Thumb
    Bokin'i Mormona amin'ny fiteny anglisy nivoaka tamin'ny taona 1830

Jereo koa

Rohy ivelany

Wikiwand in your browser!

Seamless Wikipedia browsing. On steroids.

Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.

Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.