Bokin' i Zefania
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny Bokin' i Zefania na Bokin' i Sôfônia dia boky ao amin’ ny Tanakh (Baiboly hebreo) sy ao amin’ ny Testamenta Taloha ao amin’ny Baiboly kristiana. Io boky io dia mirakitra ny faminanian’ i Zefania na Sôfônia. Nieritreritra ny vahoakan’i Jodà fa amin’ny andro ho avy dia hahatonga azy ireo ho firenana matanjaka Andriamanitra ka ho afaka mandresy ireo fahavalony sy hampanjaka ny fahamarinana sy ny fiadanana. Diso anefa ny fiheverany, fa hosazin’ Andriamanitra ny vahoakan’ i Jodà sy ny firenena rehetra izay tsy nanaja azy. Izany no andro fitsarana, andron’ i Iahveh. Ny hany fomba hanafahana an’ i Joda dia ny fanajana an’ Andriamanitra sy ny fivavahana aminy irery ihany.
Isan' ireo atao hoe mpaminany madinika roa ambin'ny folo ao amin' ny sokajy Bokin' ny mpaminany amin' ny Baiboly kristiana i Zefania fa ao amin' ny Nevi'im kosa izy ao amin' ny Tanakh.