![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/85/Flag_of_Belarus.svg/langmg-640px-Flag_of_Belarus.svg.png&w=640&q=50)
Bielôrosia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Belôrosia dia firenena ao Eorôpa Atsinanana. Ny renivohiny dia i Minsk. Ny tanàna lehibe indrindra dia ny renivohiny. Mirefy 207 595 km2 ny velaran-taniny ary niisa 9 457 500 ny mponina tao aminy. Ny faritr' ora dia +3. Firenena tsy manana morontsiraka i Bielôrosia. Tany lemaka midadasika no manjaka amin' ny vohon-taniny, izay matetika be honahona sady ahitana ala midadasika koa. Manana farihy sy ony ary renirano mihoatra ny iray alina izy.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/8/85/Flag_of_Belarus.svg/640px-Flag_of_Belarus.svg.png)
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/2b/Belarus_in_Europe.svg/640px-Belarus_in_Europe.svg.png)
Ny Bielôrosiana no vahoaka maro an' isa mandrafitra ny mponina any Bielôrosia, manarakaraka azy ny Rosiana (mihoatra kely ny 10 %). Kristiana ôrtôdoksa ny ankamaroan’ ny mponina (80 %).
Miompana amin' ny taozava-baventy ny toekaren' i Bielôrosia. Sehatr' asa be mpisahana koa ny fambolena. Taorian' ny fipoahan' ny toby nokleary tany Tchernobyl tao Okraina dia 30 %n' ny tany no tratran' ny akora radiôaktiva ary 20 %n' ny tany no tsy azo ambolena.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/4/44/Bi%C3%A9lorussie-carte.png/320px-Bi%C3%A9lorussie-carte.png)
Repoblika sôsialista sôvietika taloha i Bielôrosia (tao amin' ny Firaisana Sôvietika), izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin’ ny taona 1991. Mpikambana ao amin’ ny Fiombonan’ ny Fanjakana Mahaleo Tena izy.