From Wikipedia, the free encyclopedia
I Augsburg dia tanàna any Alemaina ao amin' ny Landan' i Bavaria (frantsay: Bavière), vakivakin' ny Romantische Straße ("Lalana Rômantika").
Augsburg | ||
Velarantany | 146,85 km2 | |
Isam-ponina | 301,033 mponina | |
Tanànan-dehibe | NC | |
Ben'ny tanàna | Eva Weber | |
Firenena | Alemaina | |
Faritany | NC | |
Faritra | NC |
Tanana iorenan' ny oniversite malaza any Alemaina i Augsburg sady renivohitry ny distrikan' i Schwaben (Regierungsbezirk Schwaben), renivohitry ny boribrintanin' i Augsburg (Landkreis) ary foiben' ny diosezy katôlika iray. Ny lapa sy ny trano fiangonana ary ny trano fandraisam-bahiny maro ao aminy dia ahitana taratra ny fotoana volamena nandalovan' ny tantarany, tamin' ny taonjato faha-15 sy faha-16 naha tanàna nitana ny laharana voalohany azy tany Eorôpa.
Nisy mponina miisa 295 135 ity tanàna ity tamin' ny 31 Desambra 2018 ka mahatonga azy ho tanàna fahatelo be mponina indrindra manarakaraka an' i München sy i Nürnberg, ary tanàna fahatelo any Bavaria (frantsay: Bavière).
Avy amin' ny anarana latina hoe ny Augusta Vindelicorum anarany. Atao hoe Augsbourg izy amin' ny teny frantsay fa mety ho hagasina hoe Aogsborga.
I Augsburg dia tanàna-boriborintany (Kreisfreie Stadt) sady iray amin' ny tanàna lehibe alemàna (Großstadt) miisa 82 hatramin' ny fiandohan' ny tanjato faha-20; nandingana ny isa 100 000 ny mponina ao aminy tamin' io vanimpotoana io ihany.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.