![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/2/26/Ikone_Athanasius_von_Alexandria.jpg/640px-Ikone_Athanasius_von_Alexandria.jpg&w=640&q=50)
Atanasiôsy avy any Aleksandria
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Atanasiôsy avy any Aleksandria na Atanazy avy any Aleksandria dia fantatra amin' ny anarana hoe Lehibe, dia teôlôjia sy eveka sy patriarikan' i Aleksandria hatramin' ny 8 Jona 328 ka hatramin' ny nahafatesany. Izy no niady tamin' ny arianisma tamin' ny taonjato fahefatra. Nanjavona izy taorian' ny dimy amby efapolo taona naha eveka azy sy dimy taona nanaovana azy sesitany. Teraka tamin' ny taona 296/298 ary maty tamin' ny 2 Mey 373 izy. Amin' ny teny grika izy dia atao hoe Ἀθανάσιος / Athanasios.
Atanasiôsy avy any Aleksandria
| |||
Ankapobeny | |||
Anarana | Atanasiôsy avy any Aleksandria | ||
Teraka | Taona 295 | ||
Maty | 2 Mey 373 | ||
Fiaviana sy ny andraikitra | |||
Firenena | Ejipta | ||
Asa : | Tsy fantatra | ||
Fiainana manokana | |||
Ny tenany no fototry ny fifandirana teo amin' ny Atsinanana sy ny Andrefana. Teraka tao anatin' ny fanenjehana farany i Atanasiôsy ka nahita ny fotoana manan-tantara tamin' ny fifindrana avy amin' ny kristianisma vitsy anisa ho amin' ny kristianisman’ ny daholobe tao amin' io faritra ao Atsinanana io; izany fotoana izany koa no nipoiran' ny Fiangonana egiptiana voalamina tsara, izay afaka nanohitra maharitra ny fahavalon' ny ôrtôdôksia nikeana (na niseana).
Olo-malaza teo amin' ny kristianisma tamin' ny Andro Taloha i Atanasiôsy: ny Fiangonana Ôrtôdôksa Kôpta dia miantso azy hoe ilay "Apôstôlika" sy ilay "Fanilon’ ny Atsinanana" ary "Andrin' ny finoana".
Ny Fiangonana ôrtôdôksa hafa dia mankalaza azy amin' ny 18 Janoary ary manao azy ho anisan' ireo mpampianatra lehibe efatra an' ny Fiangonana. Manao azy ho anisan' ireo mpampianatra enina amby telopolo ary anisan' ireo Aban' ny Eglizy (na Rain' ny Fiangonana) ny Eglizy Katôlika (izay mankalaza azy amin' ny 2 Mey).