From Wikipedia, the free encyclopedia
I Antiôkôsy IV Epifanesy dia mpanjaka seleokidan' i Siria tamin' ny taona 175 tal. J.K. hatramin' ny taona 163 tal. J.K. Teraka tamin' ny taona 215 tal. J.K. izy ary maty tamin' ny taona 163 tal. J.K. I Antiôkôsy III Megasy no rainy. I Laôdike IV anabaviny sady vady navelan' ny rahalahiny no novadiny.
Tamin' ny taona 171 tal. J.K. hatramin' ny taona 168 tal. J.K. izy dia niady tamin' i Egipta ka nandresy ny farao Ptôlemeôsy VI Filômetora sy ny faraoôna Ptôemeôsy VII Evergeto II. Nandresy ny Jiosy izy ka naka an' i Jerosalema sady nandrara ny fivavahana jiosy ary niezaka hametraka ny fivavahana amin' ireo andriamanitra grika. Nikomy sady nanenjika an' i Antiôkôsy Epifanesy ny Jiosy notarihin' ny mpisorona atao hoe Matatià (na Matatiasy) sy ireo zanany atao hoe Makabeo.
Taty aoriana dia nandresy ny Armeniana sy ny Persiana i Antiôkôsy Epifanesy. Nanenina tamin' ny fanenjehany ny Jiosy i Antiôkôsy Epifanesy rehefa akaiky ho faty. I Antiôkôsy V Eopatôra zanany no nandimby azy teo amin' ny fitondrana tamin' ny nahafatesany tamin' ny taona 163 tal. J.K.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.