Ananambo
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny ananambo na ananantaka na boredy morongo dia karazana hazo madinika ao amin' ny vondron-karazana Moringa ao amin' ny fianakaviana Moringaceae. Moringa oleifera no anarany ara-tsiansa.
Avy any India sy Srilanka ity zavamaniry ity, ary saika zatra maniry amin' ny faritra trôpikaly rehetra: ity hazo madinika mamokatra voniny tsara ho an' ny tantely ity dia haingam-pitombo, mahatanty haintany. Mahatratra 10 metatra ny hahavony. Atao legioma ny voany sy ny raviny. Ny tsimoka amin' ny tahony maitso dia miseho amin' ny tapaky ny volana Mey rehefa manomboka mitombo indray ilay zavamaniry. Ny voany koa dia ampiasaina hanadiovana rano, ho fanasan-damba, na atao fanafody.