From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny ampemba na ampemby dia zavamaniry toy ny katsaka maniry amin’ ny faritra manana toetanin-jana-pehin-tany na toetany mediteraneana. Ampiasaina indrindra ho hanin’ ny biby fiompy ny ampemba. Ny karazany sasany dia volena koa mba hohanin’ ny olona. Atao hoe Sorghum ny anarana siantifikan’ ny ampemba. Ny karazana ampemba fihinam-boa dia ny Sorghum durra sy ny Sorghum subglabrescens ary ny Sorghum caffrorum. Ny ampemba fihinam-biby dia ny Sorghum vulgare sy ny Sorghum bicolor.
Mety tao Afrika no nanirian' ny ampemba voalohany, dia ilay karazana ampemba atao amin' ny anarana siantifika hoe Sorghum vulgare. Maniry amin' ny faritra mafana ny ampemba nefa afaka maniry koa amin' ny faritra manana toetany antonony. Niitatra manerana ny faritra eto amin' izao tontolo izao manana toetany anelanelan' ny zana-pehin-tany ny fambolena ampemba, hatrany amin' ny faritra manana toetany antonony amin' ny ila-bolantany atsimo sy avaratra.
Mamboly ampemba ny any amin' ny firenena sasany tao amin’ ny Firaisana Sôvietika taloha, ny firenana toa an' i Pôlônia, ny firenena maro aty Afrika, ny any Sina ary ny firenena ao Eorôpa Andrefana, indrindra i Alemaina.
Noho ny fatantezany hafanana sy haintany mandritra ny fotoana lava dia mety tsara amin’ ny lemaka midadasika ao Amerika Avaratra ny ampemba. Volena betsaka ao amin' ny faritra afovoany sy andrefan' i Etazonia ny ampemba ka ahafahana mampitombo izaitsizy ny fampiasana ity zavamaniry ity ao amin' io firenena io.
Mandra-pisian' ny voniny, ny ampemba dia misy gliokôzy mamokatra asidra sianidrika izay mahatonga azy hahafaty ny biby. Kely anefa ny asidra ao amin' ny ampemba raha volena amin' ny tany lonaka sy mitazona rano betsaka.
Ankoatry ny fampiasana ny ampemba amin' ny fanaovana sakafom-biby dia atao sakafon' olombelona ny voany izay totoina ho lasa koba na karakaraina ho lasa zavapisotro.
Seamless Wikipedia browsing. On steroids.
Every time you click a link to Wikipedia, Wiktionary or Wikiquote in your browser's search results, it will show the modern Wikiwand interface.
Wikiwand extension is a five stars, simple, with minimum permission required to keep your browsing private, safe and transparent.