![cover image](https://wikiwandv2-19431.kxcdn.com/_next/image?url=https://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/9d/Afro-Eurasia_%2528orthographic_projection%2529_political.svg/langmg-640px-Afro-Eurasia_%2528orthographic_projection%2529_political.svg.png&w=640&q=50)
Afrô-Eorazia
From Wikipedia, the free encyclopedia
I Afrô-Eorazia dia tamba-kôntinenta lehibe indrindra eto amin’ ny Tany, izay itambaran’ i Eorazia sy i Afrika. Atao hoe Eorafrazia, Afrazia na Eofrazia koa izy. Ny teny hoe Ptôlemaîka koa dia azo ampiasaina hampahatsiahivana ilay jeôgrafa grika tao Ejipta taloha atao hoe Klaodiôsy Ptôlemaiôsy izay nihevitra ity erana ity ho ny hany tany maina eto amin’ ny planeta. Ny tany rehetra mamorona azy mantsy dia ampifandraisin’ ny tany maina na tany avo anaty ranomasina. Izy no mifanandrify amin' ny ilay antsoina hoe Tontolo Taloha sady mifanandrify koa amin’ ny zana-pizaràna biôjeôgra’ikan' ny Paleôtrôpika, ka ny Neôtrôpika amin’ izany dia i Amerika.
![Thumb image](http://upload.wikimedia.org/wikipedia/commons/thumb/9/9d/Afro-Eurasia_%28orthographic_projection%29_political.svg/320px-Afro-Eurasia_%28orthographic_projection%29_political.svg.png)