Afo fandiovana
From Wikipedia, the free encyclopedia
Ny afo fandiovana, araka ny fampianaran' ny Eglizy katôlika indrindraindrindra, dia ny fanavotana ny fanahin' ny olona aorian' ny fahafatesana, izay anadiovana azy ho afaka amin' ny fahotana mila ny famelan-keloka avy amin' Andriamanitra, na izay ianjadian' ny fanasaziana mandalo iaretan' ny mpanota aorian' ny famelana ny fahotana mahafaty nataony. Aorian' izany dia afaka ny hiditra amin' ny fahasambarana ny fanahin' ny olona. Ny Fiangonana tatsinanana sy ny Fiangonana tandrefana dia samy miaiky ny fisian' ny afo fandiovana ary mihevitra izy ireo fa toeram-pijaliana izany. Raha mino ny Fiangonana tandrefana fa handalo fisedrana afo ara-bakiteny ny mpanota, ny Fiangonana tatsinanana kosa tsy manazava ny karazana fijaliana hahazo ny mpanota. Ny Kônsily tao Florentia tamin' ny taona 1439 dia nihevitra izany lohahevitra izany ho mbola azo iadian-kevitra.
Ny foto-pampianarana sy ny fanao tamin' ny Andro Antenatenany momba ny afo fandiovana dia niadian-kevitra ary ny mpanavao fiangonana prôtestanta dia nanda ny fisian' izany. Nilaza ny Prôtestanta fa ny famonjena ny olombelona rehetra dia efa vitan' i Jesoa Kristy ary izany famonjena izany dia avy amin' ny finoana an' i Kristy irery ihany. Ny fisian' ny dingana anelanelany sy ny fotoam-panabeazana sy fisedrana aorian' ny fahafatesana dia nampianarin' ny Fiangonana anglikana.